Journée Internationale des Volontaires


Journée Internationale des Volontaires

𝐉𝐈𝐕 - 𝐉𝐎𝐔𝐑𝐍𝐄𝐄 𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐍𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍𝐀𝐋𝐄 𝐃𝐄𝐒 𝐕𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐀𝐈𝐑𝐄𝐒
Nanatanteraka ny fankalazana ny 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐥𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚𝐩𝐨 androany 04 desambra ny Croix-Rouge Malagasy niaraka tamin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izay tarihan'ny ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolosaina sy ny DPVAC ary ny mpilatsaka an-tsitrapo maro teto Madagasikara.

Hetsika lehibe natao teny amin'ny Campus Vontovorona, noentina nanamarihana izany ny asa tagnamaro toy ny fanadiovana sy fanatsarana ny tanànan'ny mpianatra.

Nanolotra fitaovana fanasana tànana na DLM "Dispositif de lavage des mains" miisa 10 ho an'ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona ny Croix-Rouge Malagasy mba ahafahana miady amin'ny aretina isan-karazany.

Mankasitraka sy misaotra an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra tonga maro 😉👊

#CroixRougeMalagasy
#jiv2021
#IVD2021
#Ourcommonfuture
#VolunteerNow
#unstoppables
#volontaire
#unstoppable