Evaluation de Vulnérabilité et de Capacité
Tanteraka tamin’ny 9 Mars hatramin’ny 16 Martsa 2021 teo ny atrik’asa « EVC Evaluation de Vulnérabilité et de Capacité » teny amin’ny fokontany Anosibe Andrefana II, atrik’asa izay niarahana tamin’ny vahoaka teny an-toerana, tao ny Chef Fokontany, Chef Secteur, niaraka tamin'ireo olona teny ifotony, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Croix-Rouge Malagasy. Tetik’asa iarahan’ny Croix-Rouge Malagasy sy ny Croix-Rouge Allemande, hijerena ireo olana sy mararin’ny mponina hamoahana ny petrak’hevitra lehibe entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ara-tsosialy ary ara-ekonomika.
#CroixRougeMalagasy #MpirotsakaAnTsitrapo #AmpioIzyHanampy #MalagasyRedCross #Volontaires