Fampiofanana Mpirotsaka an-tsitrapo
Fampiofanana BDRT:
Nahazo fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo mandrafitra ny ekipa mpiatrika ny loza eny ifotony (BDRT) tany amin`ny faritra vitsivitsy. Fanomezana traikefa ilain'ireo mpilatsaka an-tsitrapo eny ifotony mahakasika ireo asa sy andraikitra sahanin'ny CRM mandritra ny fiomanana sy fiatrehana ny loza ary fanarenana no votoatin'izany fampiofanana izany.
Fampiofanana ireo mpirotsaka antsitrapo ETAL:
Natsangana ny andiany voalohany amin’ireo mpirotsaka antsitrapo mpanao tantsoroka ara-pitaovana sy famatsiana (logistique) eny Ifotony amin’ny fiomanana sy fiatrehana ny hamehana.Faritra telo ; Analamanga, DIANA ary Analanjirofo no nisitraka izany.
Fanohanana ny sampana CRM:
Ho fampitomboana ny fahafaha miatriky ny sampana CRM eny ifotony dia nanohana amin’ny fananganana fotodrafitrasa ho fitehirizana ireo entana ampiasaina hamonjena ny ankahamenana ny tetik’asa. Ao Antalaha, Ambanja ary Soanierana Ivongo no nanatontosana izany fotodrafitrasa izany. Fitaovam-pamonjena toy ny kojakoja an-dakozia, fitaovana fanarenana trano vonjimaika ary kojakoja momba ny rano fidiovana sy fanadiovana ho an’ny fianakaviana miisa 1700 no nalefa ho tehirizina amin’ireo toeram-pitobian’entana natsangana ireo.