NANOLOTRA NY VINAN'ASANY TAO AMIN’NY GOVERNORAN'NY FARITRA VAKINANKARATRA NY FILOHA NASIONALY NY CROIX-ROUGE MALAGASY
HIFANOME TÀNANA AMIN’NY ADY ATAO AMIN’NY VALAN’ARETINA CORONAVIRUS ,TONGA NANOLOTRA NY VINAN'ASANY TAO AMIN’NY GOVERNORAN'NY FARITRA VAKINANKARATRA NY FILOHA NASIONALY NY CROIX-ROUGE MALAGASY.
Ady iaraha-manana ny “ady atao amin’ny coronavirus” , izany indrindra no antony nahatongavan’ny Croix Rouge Malagasy notarihin’ny filohany Ramatoa Ralisoa Alice ,tao amin’ny Governora Vyvato Rakotovao ny alarobia 12 mai 2021 teo.
Anton’ny fihaonana teo ny fanatanterahana ny fifanarahana nataon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Croix Rouge Malagasy , ny votoatony dia manome olona 2 hatramin’ny 4 isan’andro ny Croix rouge hifanome Tanana amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny amn’ny CSB, ny CTC ary ny Hopitaly mitsabo ny Covid.
Ho an’ny eto Antsirabe ary dia olona 2 isan’andro no hiasa eny amin’ny CSB raha 4 isan’andro kosa eny amin’ny CTC-19 sy ny hopitaly atsimo. Izany hoe manana olona 20 isan’andro izy ireo hiasa 24 ora. Nisaotra ny fihetsika ataon’ny Croix Rouge Malagasy ny Governora Vyvato Rakotovao teto.
📸 Faritra Vakinankaratra Ofisialy
#CroixRougeMalagasy #MpirotsakaAnTsitrapo #AmpioIzyHanampy #MalagasyRedCross #Volontaires