Croix-Rouge Malagasy Faritra Analamanga District Tana V


Croix-Rouge Malagasy Faritra Analamanga District Tana V

Ny Croix-Rouge Malagasy Faritra Analamanga District Tana V dia nanantanteraka didipoitra faobe maimaim-poana ny 15 septembre lasa teo tao amin'ny Clinique Fidy Ambatomainty. Natao izany mba entina hanamaivanana ireo raiaman-dreny koa nizara sakafo sy kilalao ho an ireo zaza natao didipoitra.

Tonga tany an-toerana nanome voninahitra izany ny Filoha Nasionaly ny Croix-Rouge Malagasy RALISOA Alice miaraka amin'ny Filoha Rejionaly ny Croix-Rouge Malagasy Faritra Analamanga.

Isaorana eram-po eran-tsaina isika rehetra mpilatsaka an-tsitrapo niaraka nisalahy nanantateraka ny hetsika . Mankasitraka ny mponina sy ny fokontany rehetra izay nisoratra anarana namaly ny antsonay.

Gallérie : https://www.croixrougemalagasy.mg/ressource-et-media/media-galerie

#CroixRougeMalagasy
#MpirotsakaAnTsitrapo
#AmpioIzyHanampy
#MalagasyRedCross
#Volontaires