Croix-Rouge Malagasy : Tetikasa fanalefahana ny loza sy ny tadidom-doza miaraka amin'ny Croix-Rouge Allemande
CROIX-ROUGE MALAGASY : TETIKASA FANALEFAHANA NY LOZA SY NY TADIDON-DOZA MIARAKA AMIN'NY CROIX-ROUGE ALLEMANDE 𝐀𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐒𝐀 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐅𝐈𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐈𝐙𝐀-𝐌𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐍𝐘 𝐄𝐋𝐒 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎 𝐑𝐄𝐍𝐈𝐕𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀
Notanterahina ny Talata 14 ka hatramin’ny Zoma 17 septambra 2021 teo tao Andavamamba Anjezika I ny fanomezana tosika sy fanamafisana ny fahaiza-manao ary fihomanana amina tranga ho an’ireo mpikambana ao amin’ny ELS ( Equipe Locale de Secours na Ekipa misahana eny ifotony ireo vonjy taitra ) ao amin’ny Boriborintany 1 sy faha-4 eo anivon’ny Fokontany eto Antananarivo Renivohitra mba ahafahan’izy ireo manalefaka ny fisiana tranga eto amin’ny tanandehibe.
Nosokafana ara-pomba ofisialy izany izay niarahana tamin’ny RAHOLINARIVO Solonavalona Paolo Emilio (Directeur des Etudes et Gestion des Risques BNGRC), Maria CALZADILLA (Déléguée de la Croix Rouge Allemande), HARINAVALONA Lovatiana (DGRC Commune Urbaine d’Antananarivo).
Natao izany mba ahafahana miomana sy miatrika ity taompahavaratra 2021 – 2022 ity. Naharitra 4 andro ny fiofanana ka ny 2 andro voalohany dia an’ny Boriboritany 1 izay ahitana Fokontany 4 dia ny 3G Hangar Antohomadinika, Antetezana Afovoany 1, Andavamamba Anjezika 1, Ankasina, ny 2 andro manaraka kosa dia an’ny Boriborintany faha-4 izay ahitana Fokontany 4 dia ny Ambanin’Ampahamarinana, Anosibe Ouest II, Anosipatrana, Mandrangombato I.
Nosafidiana manokana ireo toerana ireo noho izy ahitana voina mateti-pitranga toy ny tondradrano, haitrano, valanaretina, fihotsahan’ny vato.
Nofanina ireo ELS ireo mba hanamora ireo rindran-damina atao eo anivon’ny Fokontany amin’ny vonjy aina sy amin’ny fanaovana ireo tatitra ho tonga ara-potoana isan’ambaratongany, ary hanalefahana ihany koa ny fiantraikan’ny loza ho an’ireo mponina isaky ny Fokontany.
Ny "Ministère Fédéral Allemande", ny Croix-Rouge Alemande no mamatsy vola ny tetikasa, ary miaraka manatanteraka ny asa kosa ny BNGRC izay mpandrindra nasionaly ny fitantanana ny loza, ny CUA, ary ny Croix-Rouge Malagasy.
Nos galléries : https://www.croixrougemalagasy.mg/ressource-et-media/media-galerie
📷 BNGRC
#CroixRougeMalagasy
#MpirotsakaAnTsitrapo